Actualités

Bandro any Alaotra Arovana sy hatsatraina ny toeram-ponenany


  • Talata 17 Novambra 2020

Karazana Varika mampalaza sy mampiavaka ny Faritra Alaotra Mangoro ny “Hapalemur Griseus Alaotrensis”

 

 

fantatra amin’ny anarana mahazatra hoe "Bandro". Napetraka ho laharam-pahamehana any amin'ny Faritra ny fiarovana ireo zetra izay toeram-ponenan'izy ireny. Tontosa ny 13 novambra teo ny "Festival Bandro" izay niarahan'ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy Alaotra Mangoro sy ny ONG Durrell, ary ny Madagascar Wild Conservation. Velaran-tany 4Ha no novolena zozoro mba hanatsarana sy ho fanarenana ny toeram-ponenan'ireo varika any an-toerana. Notanterahina nandritra io hetsika io ihany koa ny fanokanana ny fotodrafitrasam-piasan'ny Fokontany sy ny Vondron'olona Ifotony. Tontosa tamin’io fotoana io ihany koa ny fizarana ny marim-pankasitrahana ho an'ireo olona izay nahazo fiofanana mahakasika ny fiarovana sy ny fitantanana maharitra ireo rohi-piaina, ny famokarana zana-kazo, ny fanaraha-maso sy ny fiarovana ireo harena voajanahary, ny fanodinana fako ho lasa zezika ary ny sehatry ny fandraharahana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT