Taorian’ilay boky amboaran-tononkalo mitondra ny lohateny hoe : “hetahetako” izay efa hita eny amin’ny toeram-pivarotam-boky rehetra eto an-drenivohitra dia hamoaka boky hafa mirakitra ny fiainam-pirenena indray i Bakoliniaina Griffine, mpanao gazety ara-panatanjahantena eo anivon’ny televizionam-panjakana TVM.
Hiavaka tsy toy ny mahazatra io boky io satria dia hasiatsiaka sy hivantambatana ny tononkalo ao anatiny sady hiantefa amin’ny rehetra ihany koa manomboka amin’ny madinika ka hatramin’ny lehibe. Raha ny fomba fijerin’ity mpanoratra iray ity manokana mantsy dia tsy misy zavatra mandeha amin’ny laoniny ny fiainana eto Madagasikara satria manao izay tiany hatao ny mpitondra nefa ny vahoaka madinika tena mijaly. Kendrena hivoaka mialoha ny fifidianana amin’ny taona 2018 io boky io raha araka ny fanazavany hatrany mba hisy fiantraikany mivantana eo amin’ny fomba fijerin’ireo mpifaninana sy ny isam-batan’olona. Tanjon-dRtoa Bakoliniaina Griffine moa ny hahafahana manova ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny mihitsy hiadanan’ny ambanilanitra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.