Hanomboka anio ny fanadinana ara-panjakana bakalorea teknika. Mpiadina miisa 9404 no voasoratra anaraka hiatrika izany manerana an’i Madagasikara.
Nisy fiheneny 5% io mitaha ny tamin’ny taon-dasa. Efatra andro ny haharetan’ny fanadinana ary miisa telo ny foibem-pananadinana raha ho an’Antananarivo renivohitra manokana. Ny taranja toekarena no hisantarana izany ny maraina ary ny matematika sy fizika ny hariva raha ho an’ity andro voalohany anio ity. Nilaza i Ferdinand, isan’ireo mpiadina, fa vonona tsara hiatrika ny fanadinana satria efa nanao fanazarana maromaro fa ny fanomanana ara-tsaina sisa no atao misimisy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.