Tamin’ny enina ora sasany maraina ny fiantsoana anaran’ireo mpiadina ny fanadinana teny amin’ny lisea teknika Mangarivotra ny andro talata 12 Aogositra 2014 izay fotoana voatondro hamerenena ny fanadinana bakalorea teknika ho an’i Mahajanga
Noho ny fitokonan’ny mpampianatra eo anivon’ny oniversite Mahajanga no antony tsy nahatanteraka ny fanadinana bakalorea teknika io. Niteraka fikorontanan-tsaina teo amin’ireo mpianatra mpanala fanadinana ny tsy fahatomomban’ny fotoana hanatanteraka an’izany. Tamin’ny fito ora sy fahefany ny fizarana ny laza adina ary miisa 613 ireo niatrika ny fanadinana . Notsinjaraina tamin’ny efitra miisa 16 izy ireo ary saika mpampianatra avy amin’ny EPP avokoa ny ankamaroan’ireo mpiambina. Raha ny fantatra dia nahazo fiantsoana manokana avy amin’ny fanjakana eto an-toerana izy ireo amin’ny fiatrehana amin’ny fanatanterahana io fanadinana ireo mpampianatra ny oniversite ireo.Nilamina arak’izany ny fanadinana bakaloreat teknika teto Mahajanga tamin’ny ora farany ary nisy ihany koa ny fahatongavan’ireo solontenan’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. 11 ireo tsy tonga niatrika io fanadinana ary tsy fantatra mazava izay tena antony tsy nahatongavany na tsy naheno ny tatitra avy amin’ny namany tamin’ny famerenena ny fanadinana na dia efa nisy ihany aza ny fanambarana nantaon’ny lehiben’ny faritra Boeny. Marihina fa averina amin’ ny zoma izao ny taranja izay tsy vita ny alatsiniainy teo ary tsy maintsy ho vitaina avokoa ny taranja rehetra amin’ny fanadinana bakalorea teknika hoy ireo tompon’andraikitra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.