Herinandro fahatelo amin’ny fitsarana ny fanadinana bakalorea ankapobeny sy ny ara-teknika ireo mpampianatra mpitsara ao Mahajanga.
Raha ny fantatra dia efa ny 70%-n’ny fitsarana ny laza adina sisa no andrasana dia hivoaka ny valim-panadinana. Vinavinaina amin’ny 20 septambra izao no hivoahan’ny vokatra satria dia tsy nisy ny olana teo amin’ny fitsarana ireo laza adina ireo mpianatra. Ny “serie A2 sy ny ara-teknika no somary sarotra satria dia nitombo ny isan’ireo kandida raha oharina tamin’ny taon-dasa izay tafakatra 12,62°/°. Mpampianatra 131 no niaraka nifarimbona amin’ny fitsarana ny laza adina. Ao amin’ny lisea Phillibert Tsiranana ihany no ivontoerana hitsarana ny fanadinana ary ao ihany koa no hivoahan’ny vokatra amin’ny fotoana voatondro. Ireo mpampianatra sy ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny oniversite dia samy efa nandray an-tanana ny asany avokoa na dia mbola mitohy hatrany ny fitokonan’ny sendikan’izy ireo. Etsy an-kilany ny filoha mpisolo toerana dia nanamafy fa tsy maintsy miverina amin’ny laoniny avokoa ny raharaha rehetra ao amin’ny oniversite Mahajanga, indrindra ity fanadinana bakalorea ity sy ny fampianarana eny amin’ ny campus Ambondrona.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.