Anio alarobia 27 Aogositra amin’ny valo ora maraina no hanomboka ny fitsarana ny fanadinana bakalorea ankapobeny ho an’ny faritra Boeny sy ny manodidina.
Mpampianatra 15 avy amin’ny faritra Sofia, Melaky ary ny faritra Boeny no hiaraka hifanome tanana amin’ny fitsarana izany. Taratasim-panadinana avy amin’ireo faritra manodidina an’i Mahajanga no hotsaraina ao, ary efa tomombana ny ara-pitaovana sy ny fanadoavana ny tambin-karaman’ireo mpampianatra mpitsara mandritra ny fotoana hitsarana ny fanadinana. Raha ny antontanisa voaray dia nahitana fitombony 12% ireo mpianatra mpanala fanadinana bakalorea ankapobeny tamin’ity taona ity tao Mahajanga ary nampitomboina ihany koa ny isan’ireo mpampianatra mpitsara. Ao amin’ny lisea Philibert Tsiranana no ivontoeram-pitsarana ny fanadinana bakalorea ao an-toerana. Ezahin’ireo tompon’andraikitra misahana ny fitsarana fanadinana ho ao anatin’ny iray volana ny hivoahan’ny voka-panadinana any an-toerana. Hatramin’izao dia samy vonona ny mpampianatra hitsara io fanadinana io. Etsy an-daniny kosa dia mbola mitohy hatrany ny fitakian’izy ireo amin’ny famerenana ny filoha teo aloha Profesora Rabesa Zafera.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.