Actualités

BACCALAUREAT TECHNIQUE -Mahajanga Tsy nisy noho ny korontana


  • Talata 12 Aogositra 2014

Tamin’ny 7 ora maraina dia efa tomefy mpianatra ny teny amin’ny toeram-panadinana « Lycée Technique » omaly maraina izay fotoana hanatanterahina an’izany. Ho an’ireo mpianatra mpanala fanadinana rehetra tonga teny an-toerana dia efa saika vonona avokoa hiatrika io fanadinana io

Lasa ihany ny adiny telo tsy mbola nisy ny fiantsoana azy ireo. Raikitra ny horakorak’ireo mpianatra miantso ny tokony hanaovana io fanadinana io kanefa tsy nisy tompon’andraikitry ny oniversite mbatonga teny hizara ny laza adina. Samy nitabataba teo avokoa ireo mpianatra sy ny ray aman-drenin’izy ireo amin’ity tsy fisian’ ny fanadinana bakaloreat tecknika ity. Tonga nijery ny zava-misy ireo tompon’andraiki-panjakana tarihan’ny OMC Distrika kanefa tsy tazana teny mihitsy ireo mpampianatra izay miandraikitra amin’ny fanatanterahina io fanadinana io. Nilaza ireo mpianatra fa tsy hanaiky izy ireo raha tsy vita ny fanadinana bakalorea teknika ao Mahajanga amin’ity taona ity. Ny lehiben’ny faritra Boeny dia nilaza fa tsy maintsy misy io fanadinana io ary fantatra fa tsy misy aloha ny andro voalohany ny alatsinainy ka ezahina averina ireo taranja izay tokony natao ny alatsinainy 11 Aogositra 2014 io ka ny zoma izao no voatondro hanaovana izany. Hanomboka ny talata 12 Aogositra(anio) indray izany ny fanadinana bakalorea teknika ao Mahajanga raha ny tapaka ny mpitondra eto an-toerana sy ireo mpianatra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT