Azo « caméra » neverina fa nangalatra

Nampahatsiahy ny lalàna ny mpitandro filaminana


  • Alarobia 05 Martsa 2025

Lehilahy lehibe iray no azo sary tamin’ny kamera fanaraha-maso na «caméra de surveillance»

tao amina magazay iray omaly. Azo sary ho nandamina entana sy nampiasa ny kitapony ny lehilahy ka neverin’ny tompon’ity toeram-pivarotana ity ho nangalatra ary avy dia naparitany eraky ny tambazotra ilay horonantsary, hoy ny fanazavàna. Rehefa nosavaina ny entana teny aminy dia tsy nisy solosaina tao na iray aza kanefa izy neverina ho nangalatra izany. Tsy nangalatra akory ity farany fa nampirina entana tao anatin'ilay sakaosy nentiny fotsiny dia izay no azon'ny kamera sary. Efa naneho fialan-tsiny taminy ny tompon'ny magazay izay nanaparitaka ny sary sy nihevitra fa nangalatra izy, hoy hatrany ny fanazavàna. Nampahatsiahy moa, tetsy ankilany, ny sampan’ny mpitandro filaminana fa voararan’ny lalàna ny manaparitaka sarin’olona tsy mbola voamarina fa nanao heloka satria naman’ny fanalàm-baraka na «diffamation» izany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT