Actualités

AZA NY RATSY NO ALAIN-TAHAKA (IIJaona 1 : 11)


  • Sabotsy 19 Jolay 2014

Ho famaranana ity lahatsoratra momba ny Fivavahana sy ny fampandrosoana ity dia nofidiana manokana io lohahevitra io noho ireto antony ireto.

-          Ny toe-tsaina mihevitra fa izay ataon’ny vazaha dia mampandroso, hany ka tsy vitsy amin’ireo olobe manampahaizana sy manana andraikitra fiarahamonina no mpikambana ao anatin’ny franc-macons izay tsorina fa nolovaina tamin’ny frantsay ka mamofompofona fanilihana fivavahana sy fanamaivanana tsotra izao ny fisian’Andriamanitra ka mety hampidi-doza ny firenena.

-          Ny fiheverana fa ny vola sy ny harena no tena zavatra eo amin’ny fiainana ka izay Andriamanitra any dia ambin-javatra, raharaha sosialy azo atao ary azo avela  ka izay misy ny vola no hihazakazahana fatratra.

 

Raha tsy hitanisa afa-tsy ireo aho dia ireo no nanimba ny toe-panahy maha Malagasy sy mandala ny fivavahana tao amintsika ka namotika tanteraka ny fihavanana sy ny firaisankinan’ny Malagasy satria samy resin’ny vola sy matin’izany avokoa ny ankamaroan’ny olona. Mahagaga anefa fa na dia ireo sampandraharaha goavana ao amin’ny firenena mikambana, toy ny UNICEF aza dia manome lanja be dia be ny fivavahana satria mahatsapa ny lanjan’izany. Tsy vitsy amin’ireo fikambanana Iraisam-pirenena ankehitriny no mitodika amin’ny fiaraha-misa amin’ny asa ajoron’ny Fiangonana ho fampandrosoana ny mpiara-belona. Eto amintsika, ohatra, dia mandray anjara amin’izany ireo asan’ny Fiangoanana, toy ny SAF FJKM. Mandroso sady tsy ahitana kolikoly ireo firenena mametraka ho ambony an’Andriamanitra sy ny Fivavahana ary ny Fiangonana any aminy, toa an-dry Norvezy fa gisitra sady be kolikoly ary mitotongana ara-toekarena sy ara-politika ireo firenena tandrefana sasany milaza ho tsy mila fivavahana, tsy mila an’Andriamanitra fa malalaka ary tsy tokony hasiana izany ny fiainam-pireneny. Lesona izany ary ahasahiako miteny aminao indray hoe :

                                           

Ry malala, aza ny ratsy no alain-tahaka, fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy amin’ Andriamanitra ; fa izay manao ny ratsy tsy mba nahita an’Andriamanitra.

 

 II Jaona 1 : 11a

RANDRIAMISATA Roger, Mpitandrina

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT