Ny alakamisy teo indray no nandalo teny amin’ny PAC (Poles anti-corruption)
ny raharaha nitorian’ny Aviation Civile de Madagascar (ACM) mpiasa vitsivitsy tao aminy tamin’ny alalan’ny Tale Jeneraliny. Olona am-polony no voarohirohy tamin` izany raharaha izany. Marihana fa ny Tale Jeneraly no nitory kanefa taorian’ny fandalovana fampanoavana dia nisy ny olona roa naiditra am-ponja vonjimaika. Ny iray avy eo anivon’ny ACM fa ny iray hafa kosa dia eny anivon’ilay kaompaniam-pitaterana anabakabaka. Ny sasany dia nahazo fahafahana vonjimaika ka ny iray amin’ireny ingahy Tale jeneraly nametraka ny fitoriana ihany. Kolikoly sy fanararaotana amin’ny endriny samihafa moa no vesatra niampanagana azy ireo saingy izao tonga nahavoasaringotra ity tale Jeneraly am-perin’asa ity. Tsy vao izao no niakatra ny maripana teo anivon` ny ACM fa efa nanomboka ny volana febroary lasa teo araka ny fanadihadiana natao. Efa nandefa fitarainana ny sendikan’ny mpiasa eo anivon’ity ACM ity teny anivon’ny fitsirihan’asa ka nahatonga an’io rafitra io nanizingizina ny volana oktobra teo fa takiana ny fanarahan-dalàna avy amin’ny ACM ny amin’ny tokony hanomezan-danja ny delege sendikaly sy ny “convention collective” eo anivon’ny orinasa. Baiko hentitra izay tsy maintsy tanterahina haingana moa no nomen’ny teo anivon’ny “Inspection de travail” an’ireo mpitantana tamin’izay kanefa dia toy ny tsy misy ny momba izany hatramin’izao. Ny zava-misy aloha dia mangina ny ministera mpiahy sy ny filankevim-pitantanana manoloana izao toe-javatra izao. Andrasana ny tohin’ity raharaha eny amin’ny PAC mahavoasaringotra an’ity tale jerenalin` ny ACM ity.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.