AVARATRA ATSINANANA

Mbola maro ireo tsy salama vokatry ny fandalovan’i Gamane


  • Alatsinainy 10 Jona 2024

Mbola maro ireo olona tsy salama vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gamane any amin’ny Faritra Avaratra

Atsinananan’ny Nosy, raha araka ny loharanom-baovao azo. Anisan’ireny ny karazana tazo izay mitady handazo mandavan-taona, ny hidihidy amin’ny hoditra, ny aretin-kibo….Maro ireo mpiara-miombon'antoka manohana ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka amin'ny fanamafisana ny rafi-pahasalamana sy ny fandraisana an-tànana ny fahasalaman'ireo vahoaka manerana ny Nosy vokatr’izany. Ny Firenena Rosianina niaraka tamin'ny OMS indray no namaly ny antso ny faran’ny herinandro teo ka nanolotra fitaovana medikaly sy fanafody ny Faritra Avaratra Atsinanan’ny Nosy.Ny tale Jeneralin'ny fisorohana ara-pahasalamana no nisolotena an'Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka nandray tamin'ny fomba ofisialy ireo fanohanana ireo. Alefa tsy ho ela any an-toerana moa ireo fitaovana sy fanafody ireo hahafahana mandray an-tanana ny fahasalaman’ny mponina.
Pati

Legende : Nandritra ny fanolorana ireo fanafody sy fitaovana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT