AVARAJOZORO AMBODIFASINA

Tanin'ny mponina an’hekitara maro misy mibodo


  • Zoma 17 Jolay 2026

Misy mibodo ny tanin'ireo mponina

ao Avarajozoro, Ambodifasika, kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy. Amina ha maro izy io, voalaza ho nohajarian'izy ireo nandritra ny 36 taona. Nilanja sora-baventy nanohitra izany izy ireo omaly Alakamisy 16 Jolay maraina. Ny Filohan’ny Fanavaozana ny Kolonely Michaël Randrianirina no niantefan'ny fangatahan'izy ireo voalohany. Efa 36 taona mantsy no nipetrahan’izy ireo teo amin’io toerana io ka foto-drafitrasa maro no efa nohajarian'izy ireo sy natsangany, nandaniany ny herim-pony an-taonany maro. Ankehitriny anefa dia misy milaza fa tompon'ny tany ary nanala ireo mpiandry tanàna tao. Nisy hoy ireo mponina ny herisetra natao tamin’ny mpiambina. Efa manorina fotodrafitrasa ao an-toerana koa mantsy ireo milaza ho tompon-tany. Tsy ara-drariny ny fidirana tao hoy hatrany izy ireo. "Ordonnance" mantsy no nentin’izy ireo niditra tao an-toerana. Ny Ordonnance koa anefa tsy azo hanaovana "démolition", na fandravana kanefa dia nataon’ireo izany hoy ny mpiaro ny tompon-tany. Fantatra moa fa efa mandeha eny anivon’ny fitsarana ny raharaha. Nanao "Appel" ny tompon-tany. Tokony mijanona miaraka amin’izay koa anefa ny asa ao amin’io toerana io. Marihina fa tsy mahalala izay fanorenana hataon’ireo olona tonga farany ireo ny Sefom-pokontany ao Ambodifasina, ary tsy mahalala izay taratasy hananan’izy ireo akory. Tamin’ny fidiran’izy ireo voalohany tao aza, toa fanambaniana azy no niseho raha ny fanazavana azo. Tsy hanaiky hatramin'ny farany izao fakana ny tany nohajariany nandritra ny 36 taona izao moa ireo mponina eny an-toerana.
Nangonin'i Pati
Légende : Nandritra ny hetsika nataon'ny mponina !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT