Actualités

Avarabohitra Itaosy Misy fanotoran-tany goavana


  • Talata 18 Jolay 2023

Raikitra indray ny fanotoran-tany eny amin’iny faritra Avarabohitra Itaosy, kaominina Itaosy iny.

Nanomboka tamin’ny faran’ny herinandro teo no nahitana izany izay hampiasana ireny bulldozer lehibe ireny maromaro mihitsy miaraka amin’ny fiara vaventy maromaro. Tsy kely ilay tany totofana raha ny fahitana azy fa amina ha maromaro mihitsy. Nambaran’ny teknisiana iray ary fa ny fanotofan-tany eto Antananarivo sy ny manodidina dia mbola voarara ary misy ny lalàna mifandraika amin’izany tokony hampiharina, na iza na iza tompon’antoka . Ny mba hiarovana ny tondra-drano mandritra ny fotoam-pahavaratra mantsy no tanjona izay marihina fa efa mampijaly sy mampahory olona an-jatony eny amin’iny faritra Itaosy iny. Lohalaharana amin’izany mihitsy ny eny Avarabohitra izay efa tonga hatrany amin’ny an-tsasaky ny trano ny rano rehefa fotoam-pahavaratra sady maloto avokoa. Antso avo araka izany no hatao amin’ny tompon’andraikitra mikasika ity fanotofan-tany eny Avarabohitra Itaosy ity. Tsy misy mahavita manototra tany be ohatra an’io moa amin’ny ankapobeny raha tsy mpanam-bola be sy mahalala olona.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT