AURELLA MAILHOL

« Tokony ho fitaratra hatrany ny vehivavy »


  • Zoma 08 Martsa 2024

Tokony ho fitaratra hatrany ny vehivavy hoy Rtoa Aurella Mailhol,

vady andefimandrin’ny Pastera Mailhol, filoha mpanorina ny Fiangonana Apokalipsy maneran-tany. Manomboka amin’ny fihetsika ao an-tokantrano hampitaina amin’ny taranaka izany hoy izy ka hatramin’ny fitafy sy ny fitondran-tena mba hahafahana mampirindra ny fiaraha-monina. Tato ho ato tokoa mantsy dia nirongatra sy nahazo vahana ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy sy ny ankizy miampy fanolanana. Lohalaharana amin’ireny ny herisetra ara-tsaina, ara-nofo, ny herisetra ara-bola….arahin’ny kolikoly ara-nofo mahazo ireo vehivavy sasany eny anivon’ny orinasa. Izany indrindra no antony nanosika an-dRtoa Aurella Mailhol hanentana ny vehivavy rehetra mba ho maodely tsara eny anivon’ny fiaraha-monina, indrindra amin’izao fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny vehivavy izay marihina anio Zoma 08 Martsa izao. Anisan’ny lalana iray hahafahana miady amin’izany mantsy ny fanabeazana tsara omena hoy izy izay tokony hiainga avy amin’ireo mpanabe sy ny vehivavy Malagasy isan-tokantrano. Mikasika ireo mpanolana manokana dia miantso ny mpitondra mpanatanteraka Rtoa Aurella Mailhol mba hampihatra ny sazy faran’izay henjana amin’izy ireny hahafahana manafoana izany tanteraka. Amin’izao 08 Martsa izao dia tsy adinon-dRtoa Aurella Mailhol ny mirary soa ny vadin’ny filoham-pirenena mba hahavita an-tsakany sy an-davany ny adidy mavesatra sahaniny. Toraka izany koa ny vehivavy Malagasy rehetra indrindra fa ireo mpino eo anivon’ny Fiangonana Apokalipsy manerantany. Ho azy ireo manokana dia hisy ny fotoam-bavaka lehibe hotanterahiny eny Iavoloha amin’ity andro anio ity hitondrana am-bavaka ireo vehivavy mpino sy ny tokantranony. Loha-hevitra hovohabohasana mandritra izany ny hoe : “Mahatoky izay voafidin’i Jehovah” !
Pati
Legende : Miantso ny vehivavy rehetra mba ho maodely hampirindra ny fiaraha-monina i Aurella Mailhol
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT