Manjaka ny hala-botry eny amin’ny faritra Atsimondrano. Ny fitaovana an-dakozia sy ny lamba miantona, indrindra fa ny akoholahy mpiady no tena mahita faisana
Tokantrano maromaro no efa lasibatra, araka ny vaovao voaray izay tsy nijanona tamina fokontany iray ihany fa nahakasika fokontany am-polony mihitsy. Hain’ireo mpangalatra mihitsy ny mifantina ireo akoholahy mpiady, indrindra fa ireo efa miakatra an-kianja. Ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa tena lafo vidy tokoa ireny akoholahy mpiady ireny. Mahatratra anahetsiny ny vidin’ny iray no sady betsaka ireo sahy mividy azy. Ho an’ny faritra Atsimondrano manokana dia maro ireo mikarama sy mivelona amin’ny fampiadiana akoholahy, be mpanao tokoa izy io satria volabe no lalaovina amin’ny fampiadiana azy. Tokantrano miisa enina moa no indray lasibatra ny herinandro lasa teo teny Itaosy teny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.