Actualités

Atsimo Andrefana sy Menabe Maherin’ny 2000 ireo traboina, 2 maty


  • Alatsinainy 06 Martsa 2023

Na tsy tena miditra an-tanety aza ny ivon’ilay rivodoza Freddy, dia miantraika amin’ny faritra maro any Atsimon’ny Nosy ny faharatsian’ny toetr’andro aterany.

Olona miisa 2 301 no tra-boina any amin'ny faritra Atsimo Andrefana sy Menabe hatry ny omaly. Iray amin’ireo toerana tena lasibatra ny any amin’ny Distrikan’i Morombe Faritra Atsimo Andrefana. Ao an-drenivohitr’I ny distrika mihitsy no isan’ny voa mafy satria dibo-drano tanteraka ny faritra iva noho ny fandalovan’ny oram-be. Nahafahana nitondrana lakana mihintsy eraky ny tanàna ny sabotsy sy omaly alahady, izay maneho fa henjana ny fahavoazana. Maro ireo olana nifindra toerana niala ny tranony ka nanantona izay toerana mba avoavo sy azo antoka. Ho an’ireo kaominina manodidina, dia vehivavy iray ihany koa no namoy ny ainy vokatry ny hatsiaka tafahoatra noho ny rotsak’orana tany amin’ny kaominina Ambanivohitr’Ambahikily. Dibo-drano ihany koa ny ankamaroan’ny tanàna tany an-toerana. Zaza iray taona sy tapany ihany koa no maty nihotsahan'ny trano tao Andranovory, distrikan’I Toliara II,...
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT