Atoa Randriamasy Natanaela,

mpanorina ny OMAD Manaitra ny fanjakana


  • Alakamisy 30 Oktobra 2025

ny mba hisian’ny ministeran’ny diaspora

Manana olona vonona hifanome tanana amin'ireo izay hapetraky ny malagasy ny Diaspora, mba hanandratra sy hamerina indray ny hasin'ny malagasy. Manana olona manana traikefa amin'ny herinaratra, ny tontolo iainana, ny fitantanam-bola, momba ny indostria ary fambolena sy fiompiana ny fikambanana », hoy Randriamasy Natanaela, filoha mpanorina ny One Meal A Day for Madagascar, ny talata teo, teny amin'ny Quantum Isoraka. Manana vina ny hampivondrona ny malagasy any am-pita ny fikambanana, satria firaisankina no hahavitana zavatra lavitra. Irian’izy ireo ny hametrahana ny diaspora ho « 7eme province » eto Madagasikara, ka hitondran’ireo malagasy any am-pita ireo ny fahalalana noratoviny tany, ho an’ny fampandrosoana ny firenena. Tsy voatery ho ministra fa na mpanolontsaina aza dia mety, raha ny fanazavany hatrany.

BANKY HO AN’NY MALAGASY
« Tsy manana banky isika kanefa raha te hampiakatra ny toe-karenan’i Madagasikara dia tokony hanana banky i Madagasikara » hoy atoa Natanaela. Io no vahaolana sy isan’ny tetikasan’ny OMAD ihany koa, mba ahafahana mihoitra amin’ny fahantrana. Vokatr’io dia afaka mandraharaha ny malagasy, amina zana-bola kely, afaka mahazo asa ny rehetra. 30%-n’ny mpikambana kosa no atontona ao anatin’izany, ho fanampiana ny mpiray tanindrazana, raha ny nambarany. Raha ny zava-misy amin’izao kosa dia nilaza ity filohan’ny OMAD ity fa mandeha tsikelikely ny fanovana rafitra ary miezaka ny tsy hametraka ilay rafitra nisy hatramin’ny 60 taona niainana no tsara. Ny hiovantsika ho « Etat Fédéral Modéré », izany hoe fitantanana (constitution) iray misahana ny Madagasikara iray manontolo, no faniriany sy ambarany ombieny ombieny. « Olona 1 isaky ny faritra (région), no mitantana, ary manana izany ny faritra 7, tafiditra anatin’izany ny « diaspora » » hoy izy. Ny olona any amin’ny faritra misy azy ihany mantsy, no mahalala izay maharary ny faritra hipetrahany. 20 taona any ho any moa ny hahazoana vokatra amin’izany, raha ny fanazavany hatrany. Efa maro moa ny tetikasa nataon’atoa Natanaela Randriamasy teto, nitotaly 16 isa ho an’ireo tantsaha sy mpamboly any Ambanivohitra, ka ny 12 tamin’ireo no lavorary, ka mifanaraka tsara amin’ny zava-misy ankehitriny. Marihina fa nitondra anjara biriky tamin'ny tolona Gen Z tamin'ny famatsiana ny lafin'ny rano, sakafo, arovava orona, sns... ity fikambanana ity.
Légende : Nandritra ny valandresaka tamin’ny mpanao gazety, ny talata lasa teo
Aina

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT