Manana ny fahitany ny zava-misy iainan’ny firenena sy ny vahoaka malagasy ankehitriny ireo mpanara-baovao politika sy ny vahoaka amin’ny ankapobeny. Samy manana ny heviny ny rehetra, ny itoviany dia ny filazana fa “marefo sy tsy misy finiavana hampandroso firenena sy ny vahoaka ao aminy ny mpitondra ankehitriny”
”. Naneho ny heviny Atoa Ranaivoarison Scheel Hallstein, mpampianatra tantara sy jeografia ao Fenoarivo atsinanana, izay efa nihazona ny talen’ny lafin-tany ihany koa teo aloha, fa “vao niandoha ny fitondran’ny filoha Rajaonarimampianina Hery dia efa narefo, be loatra ny toky nataony nandritra ny fampielezan-kevitra nefa tsy misy an-dalam-pisiana avokoa izany ankehitriny, hany ka manomboka mahatsapa voafitaka ny vahoaka ary izay no mahatonga izao fitokonana sendikaly sy fikambanana etsy sy eroa izao, satria ireny no mpiaro ny tombontsoam-bahoaka sy ny mpikambana ao aminy avy”. Nohamafisin’ity mpampianatra mahita ny zava-misy isan’andron’ny Malagasy ity fa “raha izao zava-misy sy tsy fahitan’ny vahoaka fa misy finiavana tena hampandroso azy marina ny mpitondra azy, dia atahorana tsy haharitra ny fe-potoana hitondrany ny firenena ny filoha sy ireo fitondrana izao”. Ho an’Atoa Ranaivoarison dia maivana be ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara miara-miasa amin’ny filoha. Noho izay indrindra dia “tsy mety to teny amin’ny vahoaka, ny mpamatsy vola ary ireo mpiara-miombona antoka amin’ny firenena Malagasy ny asa ataon’izy ireo. Marina fa efa betsaka ny nilaza hanampy antsika, nefa hatreto dia tena lasan-ko vavany fotsiny ireny fa miandry ny tena fahavononana sy finiavana marina amin’ny mpitondra, anisan’ny voalohany amin’izany ny fametrahana filaminana sy famerenana ny fandriampahalemana izay tsy voafehin’ny mpitondra mihitsy…”. “Mila fahavononana ny fitantanan-draharaham-panjakana. Mila manova ekipa ny mpitondra isan’ambaratongany, ka omena ny toerana ireo teknisianina, na eo anivon’ny fitondrana ambony izany, na eo anivon’ny fitantanana ifotony”, hoy hatrany Atoa Ranaivoarison namarana ny fanazavany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.