Tena hafahafa ny fitsarana misy eto amintsika raha ity zavatra nahazo ny tena ity no asian-teny, hoy Atoa Lercia mpandraharaha, ary ambarako ho fanta-poko, ho fanta-pirenena sao mety hihatra amin’ny Malagasy havana hafa koa indray andro any ka mampalahelo
Nanana olana tamina mpivarotra fiara vaovao malaza iray misy eto amintsika ny tenako tamin’ny taona 2010, hoy izy, ka nitory azy io rehefa notazonina ankeriny tao aminy ny fiarako izay nentina natao “entretient” tao fotsiny araka ny nifanarahana. Nivoaka ny didy teo amin’ny fitsarana voalohany ka nandresy ny tenako, hoy izy, ka nisy ny « compensation » azoko niaraka tamin’ny onitra 3 tapitrisa Ariary. Rehefa nanao « appel » anefa ity orinasa ity dia nivoaka ho mpandresy indray. Tsy nijanona tamin’izao ny tenako fa nanao “cassation” ary dia nahazo rariny ka namoahan’ny fitsarana ambony ny PIL (attestation de Pourvois dans l’Intérêt de la Loi) izay mampiato ny didy rehetra nivoaka tamin’ity raharaha ity ary dia nampahafantarina izany mazava ny mpifanandrina tamin’ny 17 oktobra 2013. Volana vitsy taty aoriana anefa dia mbola nanao fitoriana “bref delai” indray ilay orinasa ary dia lasany indray ny fiarako fa nivoaka ho mpandresy izy. Eo no mampanontany tena amin’ny fitsarana eto amintsika hoe didy efa namoahany PIL tsy azo hivalozana ve dia mbola azo haverina hatrany am-boalohany indray eto amin’ity fitsarana eto Antananarivo ity ? Mbola hiantsoako ny tompon’andraikitra mahefa amin’ity resa-pitsarana eto amintsika ny mahakasika ity raharaha ity na dia efa nampahafantariko izany avokoa aza ny ambaratonga samihafa ao Anosy ao fa tena voahitsakitsaka ny lalàna. Mangataka ny hamerenana amiko ny fiarako aho, hoy izy, satria zoko ny mitana io fiara io na mandeha aza ny raharaham-pitsarana fa hivoaka rahampitso zoma indray ny didim-pitsarana amin’ny fampakarako amin’ny avoavo kokoa ny raharaha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.