Tapitra potehin’ireo vahiny avy any Atsimo ny aty ala ao Antsakanalabe, distrikan’i Befandriana Avaratra.
Efa am-polony ha izany raha araka ny vaovao azo. Manao trano bozaka sy mitevy ny ala manodidina azy izy ireo ary dorany avy eo mba hahafahany mamboly katsaka. Nandefa iraka avy amin’ny Zandarimariam-pirenena sy ny tompon'andraikitra misahana ny tontolo iainana ny governoran’ny faritra Sofia mba handrava ireo trano tsy ara-dalàna any anaty ala ka handray fepetra hentitra amin’ireo tratra mandripaka izany sy mandoro tanety.Nandositra niala tao ireo tsy mataho-tody vokatr’izany raha mbola tavela tao kosa ireo fitaovana nampiasainy sy ireo masomboly maro ka nodorana niaraka amin’ny tranony... Miandry ireo mikasa hiverina araka izany ny fokonolona ho fiarovana ireo aty ala sisa tavela.
Nangonin’i Pati
Legende : May tahaka izao avokoa ireo aty ala !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.