Astrologue

» iray ao Toliara


  • Alatsinainy 03 Aogositra 2026

Voarohirohy ho nanolana tovovavy 16 taona

Lehilahy iray voalaza ho mpanandro no nosamborin’ny Polisim-pirenena tao Toliara, taorian’ny fitorian’ny tovovavy iray 16 taona izay milaza fa niharan’ny fanolanana. Araka ny tatitra, voalaza ho niaraka tamin’ny nenitoany izy nankany amin’ity mpanandro ity ny 28 Jolay 2026. Rehefa nifarana ny fihaonana, nasain’ilay lehilahy niverina irery ny ampitso ilay tovovavy. Nankany indray izy ny ampitson’io, niaraka tamin’ny nenitoany ihany. Teo ny fotoana nanararaotin’ilay lehilahy ilay tovovavy ka nanatanterahany ny filàn-dratsiny, raha ny tatitra hatrany. Voalaza ihany koa fa norahonany tsy hilaza amin’olona ny zava-nitranga ilay zaza, indrindra ilay nenitoany izay niandry teo ivelany. Taorian’ny fitoriana napetraka tao amin’ny Centre Vonjy ao Toliara, dia nosamborin’ny Polisim-pirenena ilay voarohirohy. Henjana ny lalàna amin’ny resaka fanolanana ka asa izay hiafaran’ilay lehilahy voarohirohy. Betsaka ihany koa mantsy andaniny no mametra-panontaniana hoe : tena tsy nisy fifanarahana sy fifanekena ve tao anatin’ity tranga ity ? Any amin’ny Fitsarana ny teny farany !
Nangonin’i Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT