Ahiana hamotika ny tany afaka 7 taona, izany hoe amin’ny taona 2032, ilay astéroïde YR4
na vatobe avy any amin’ny habakabaka any, hitan’ireo «astronomes» na ireo mpikirakira ny zava-misy eny amin’ny habakabaka eny farany teo moa izany. 3,1% ny taha mety handonan’ity vatobe ity ny tany, raha ny fanazavàna voaray avy eo anivon’ny NASA na ny sampan-draharaha amerikanina mikirakira ny habakabaka. Vinaniana ho manodidina ny 40 hatramin’ny 90 metatra ny sakan’ity vatobe mandoro ity ary ny 22 desambra 2032 no hianjera eto ambonin’ny tany. Ahiana ho mafy ny fiantraikan’izy io satria dia mety hamotika tanàna iray manontolo, eny, nosy toy ny haben’i Madagasikara mihitsy aza. Avo 500 heny noho ny baomba nokleary namotika an’i Hiroshima tao Japon ny mety ho famotehana aterak’ity asteroida ity, raha ny fampitam-baovao sy ny vinavinan’ireo manam-pahaizana hatreto hatrany. Tena mbola tsy fahita hatramin’izay ity tranga ity, hoy ny fanazavàn’ny lehiben’ny biraon’ny fiarovana ny planeta ao amin’ny Agence spatiale européenne na ASA, izay sampam-pikarohana ao Eoropa.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.