ASSOCIATION MUSULMANE AHMADIYYA

Mivoy hatrany ny fihavanana sy ny firahalahiana


  • Alatsinainy 30 Septambra 2024

Nankalazana ny Jasla Salana andiany faha-18 na ilay foto-kevitra mivoy sy manamafy

ny fihavanana sy ny firahalahiana ny Association Misulmane Ahmadiyya eto Madagasikara, manana ny foiben-toerany etsy Andavamamba. Nanomboka tamin’ny 27 Septambra teo no nanamarihana izany nifarana omaly Alahady 29 Septambra ka ny tanjona dia ny hametraka ilay teny filamatra any am-pon’ny mpiara-belona manao hoe : fitiavana ny rehetra, tsy fankahalana na iza na iza. Ankoatra ny fotoam-pivavahana nentin’izy ireo nampianarana ny finoana Slamo dia nisy ihany koa ny fanampiana ny mpiara-belona tamin’ny alalan’ny asa sosialy. Fantatra ary fa miezaka hatrany ny mandala izay fihavanana izay sy miahy ny fanahin’ny olona ny fikambanana. Efa manana studio manerana ny firenena miisa 8 izy ireo ohatra aty Afrika hamokarana fandaharana ho an’ny mponina. Amin’ny alalan’ny drafitra Nusrat Jahan ny fiaraha-moina dia manana hopitaly sy klinika miisa 36 any amin’ny firenena miisa 12 aty Afrika. Mpitsabo miisa 42 voatokana avy any amin’ny firenen-kafa sy mpitsabo 13 eto an-toerana no miasa ao amin’ireo hopitaly ireo. Olona mihoatra ny 500.000 no nahazo fanompoana tao amin’ny hopitalin’izy ireo tamin’ny taona 2018. Manana sekoly miisa 684 ihay koa izy ireo ahitana sekoly ambaratonga fototra sy ambony manerana ny firenena 12 aty Afrika. Fantatra ihany koa moa fa olona mihoatra ny 14.000 isa no efa nahazo fandidiana maso maimaim-poana tamin’izy ireo vokatry ny karavana ara-pahasalamana nataon’izy ireo.
Pati
Legende : Ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Association Musulmane Ahmadiiya de Madagascar etsy Andavamamba !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT