Actualités

Association MAEVA « Tokony hirona kokoa amin’ny vokatra Bio isika »


  • Talata 11 Aprily 2023

Tsy misy izay karazan-tsakafo tsy ahitana akora simika intsony eto amintsika. Manomboka amin’ny ody ambavafo omena ny kilonga madinika izany ka hatramin’ny legioma sy ny hena vidiana eny an-tsena.

Tena zava-doza ho an’ny fahasalamana anefa izy ireny. Toraka izany koa ny fihinanana ireo sakafo eny amin’ny hotely sy entina mandehandeha izay tsy madio ny sasany no sady mbola nampiasana karibonetra sy menaka efa nampiasaina maharitra ihany koa….Mitsangana mba hanentana sy hampianatra azy ireny ny Association MAEVA na ny Malagasy Ela Velona, tarihin’ny Dr Feziny Séraphine. Fahasalamana ho an’ny rehetra mantsy no lohahevitra nandritra ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana tamin’ny sabotsy teo saingy tsy ho tanteraka mihitsy izany raha mbola tsy mihinana sakafo ara-pahasalamana lavitry ny akora simika sy ny fahadiovana ny mpiara-belona. Miangavy ny mpamboly legioma sy voankazo araka izany ny fikambanana mba hamokatra sakafo ara-pahasalamana, tsy hampiasana zezika simika. Toraka izany koa ny mpiompy mba tsy hamokatra biby fiompy tsy terena hatavy haingana amin’ny alalan’ny provandy izay tena mahazo vahana tokoa ankehitriny. Azo hatao tsara hoy Dr Feziny ny mamokatra legioma sy voankazo ary biby fiompy tsy hampiasana akora simika na provandy be nefa hahazoam-bola hamelomana ny ankohonana. Toe-tsaina efa nilaozan’ny toetr’andro hoy hatrany izy ilay diso tia vola loatra nefa mamono ny mpiara-belona ka tokony hahitsy. Mifamelona no tokony hatao hoy hatrany izy fa tsy mifamono.
Pati
Legende : Dr Feziny, miantso ny mpamboly sy mpiompy tsy ho matim-bola fa hitsinjo ny fahasalaman’ny mpiara-belona
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT