ASSOCIATION CLAIR DE LUNE

Namboly hazo teny Ampangabe


  • Alatsinainy 05 Febroary 2024

Ankoatra ny asa soa tanterahiny dia tsy manadino ny mandray anjara amin’ny

fiarovana sy ny fikojakojana ny tontolo iainana eto amintsika ny Association Claire de lune. Namboly hazo 600 fototra teny Ampangabe izy ireo ny Sabotsy 03 Febroary lasa teo, nahitana ny fandraisana anjaran’ireo mpikambana miisa 50. Raha araka ny fantatra dia tonga nanatevin-daharana tamin’ity hetsika ity ihany koa ireo miasa an-tsitrapo manolo tena hanampy ny mpiara-belona ao anatin’ny fikambanana. Raha tsiahivina kely dia tsy vao sambany no nanao hetsika tahaka izao ny fikambanana. Efa nahatratra 2000 fototra mantsy hatreto ny hazo nambolen’izy ireo nanomboka tamin’ny taona 2017 mba ho fitsinjovana ny ho avin’ny taranaka. Tafiditra ao anatin’ny asa tanterahin’ny fikambanana noho izany ny fanaraha-maso ireo zana-kazo nambolena…Narahin’ny mpikambana fiaraha-misakafo izany nahafahana nandinika ireo asa vita tamin’ny taona 2023 sy ireo mbola hotontosaina amin’ity taona 2024 ity. Tanjon’ny fikambanana moa ny hamerina an’i Madagasikara ho maitso volo hahafahana miady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro izay tena mahazo vahana tokoa eto amintsika.
Pati
Legende : Nandritra ny fambolen-kazo notanterahin’ny mpikambana tamin’ny Sabotsy teo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT