Actualités

Asso Fanantenana « Azo arindra amin’ny tekinolojia ny fihavanana sy firaisankina »


  • Alatsinainy 19 Jona 2023

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny CCIA Antaninarenina ny sabotsy teo ny fikambanana Asso Fanantenana.

Nisy ihany koa ny fampahafantarana ho an’izay maniry hiditra anatin’izany fikambanana izany. Ny hamerina ireo lova tsara indrindra napetrak’ireo razantsika taloha, hoy ny fanazavan’izy ireo, no antom-pisianay. Tsy inona ireo fa ny fihavanana sy firaisankina, hoy ny filohan’izy ireo, Patrick Rakotonindriana. Ireo nampifandrindrana amin’ny fampiasana tekinolojia ankehitriny, mba hahafahan’ny olona mamorona renivola amin’ny fotoana hahazoany izany renivola izany. Io no antsoina hoe «Automatisme ara-bola», izay ity fikambanana ity izany no namorona azy voalohany. Nandrava ny fihavanana ny vola. Izay no antony nitadiavanay vahaolana ka nampivadiana ny fikambanana sy fihavanana miaraka amin’io «Automatisme ara-bola» io. In-dray mandeha mandoa latsakemboka 5000 Ariary daholo ny mpikambana dia ao anatin’ilay vovonana elektronika avy eo no handrindrana izany ho lasa renivola hisitrahan’ny mpikambana rehetra. Tsapa fa rava ankehitriny ny firaisankina sy fihavanana eto amin’ny firenena ka antony namoronanay ity hetsika fampandrindrana izany amin’ny tekinolojia ity izany. Ny tekinolojia koa isan’ny nandrava fihavanana voalohany teto amintsika. Efa nisy ny andrana natao ka hita fa ny fifandraisana ao anatin’izany dia sady miteraka fihavanana sy firaisankina ary vola ho an’ny tsirairay mba tsy ho zava-poana ny fidirana fikambanana fa mba hiteraka tombontsoa ho an’ny mpikambana rehetra. Ho porofoinay fa azo atao mifandrindra amin’ny tekinolojia ny fihavanana sy firaisankina, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT