Assanati Famo Gidraka - raharaha vary simba

« Sazio avokoa izay tompon’antoka fa aza asiana fanavakavahana »


  • Alatsinainy 08 Janoary 2024

Nivoaka tamin’ny fahanginana Rtoa Assanati Famo Gidraka,

filoham-boninahitry ny fikambanana Assanati Famo Gidraka taorian’ny nampidirana am-ponja vonjimaika ny prefen’i Mahajanga sy ny tale misahana ny varotra ao amin’ny Faritra Boeny mikasika ilay raharaha vary simba tany an-toerana. Nambarany tamin’izany fa tokony hosaziana avokoa izay rehetra tompon’antoka tamin’iny raharaha iny fa tsy asiana fanavakavahana. Ny teknisiana hatrany no tratra farany hoy izy nefa mbola misy hafa manao ny hataony tsy voakitika. Rehefa tsy hosaziana ireny olona ireny hoy hatrany Rtoa Assanati Famo Gidraka dia takiany ny hamoahana ny prefe sy ny talen’ny varotra. Tsiahivina moa fa mbola mirihariha any an-toerana hatramin’ny omaly ny Governoran’ny Faritra Boeny sy ny solombavambahoaka roa izay voasaringotra amin’ity raharaha ity nanao sonia ny famoahana ireo vary 50 kaontenera simba tao Mahajanga. Notsiahivin-dRtoa Assanati moa fa mety namparary ireo vahoaka maro tao Mahajanga iny vary iny raha nohanina antony tokony hamongorana ireo tsy maty manota, hevitra hitoviany amin’ny Synad izay nanao fanambarana ihany koa.
Pati
Legende : Rtoa Assanati Famo Gidraka
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT