ASSANATI FAMO GIDRAKA

"Nipoitra ny marina, tsy meloka i Prefe"


  • Alarobia 12 Jona 2024

Nipoitra ny marina mikasika ny fidiran’ny Prefe-n’i Mahajanga teo aloha tany am-ponja

momba ilay raharaha vary loha. Nivoaka ny fonja soa aman-tsara ity tompon’andraikitra ity mialohan’izao fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny fahaleovantena izao. Mankasitraka ny Fitondram-panjakana araka izany ny tenany izay nomarihiny manokana fa mba nijery ny fahamarinana. Maniry hatrany ny hanjakan’ny fahamarinana eto amin’ny tany sy ny firenena araka izany ny tenany. Ny marina mantsy hoy izy no manandratra ny firenena ary tsy misy olona mandala ny fahamarinana izany ka ho potika na ho resy noho ny hetraketraky ny sasany. Tsy manadino ny asa sosialy fanaony ity Filoham-boninahitry ny Fikambanana Assanati Famo Gidraka ity ankoatra izay. Lohalaharana amin’izany ny fanamarihana ny hidiben’ny Silamo izay homarihina atsy ho atsy. Ao anatin’ny fanatanterahana ilay teny filamatry ny Fikambanana manao hoe : “ Isika rehetra miaraka amin’i Assanati, ny Werawera tsy maintsy mandeha izany rehetra izany” izay hatao ao Mahajanga. Hanolotra vorona ho an'ireo mpanaraka azy ao amin'ny tambajotran- tserasera fesiboky ihany koa ny tenany amin’izao fankalazana ny fetin’ny 26 Jona izao. Amin’ny alalan’ny an-kitsapaka moa no hanatanterahany izany ka hahazo vorona hatao laoka amin’ny fety izay tsara vintana.
Pati
Legende : Ramatoa Assanati Famo Gidraka miezaka mandala ny fihavanana sy manampy ny mpiara-belona hatrany !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT