Anisan’ny fikambanana miara-miasa akaiky amin’ny mpanao gazety ny fikambanana Assanati Famo Gidraka, tarihin’ny filoham-boninahiny Rtoa Assanati.
Tsy nitazam-potsiny ireo mpanao gazety tao Mahajanga araka izany ny fikambanana tarihiny fa nanolotra fanampiana toy ny fotsim-bary sy menaka, afak’omaly alarobia 04 novambra hanamaivana ny fahasahiranan’izy ireo. Raha araka ny fantatra mantsy dia anisan’ireo olona tena niasa mafy ny mpanao gazety nandritra ireny hamehana ara-pahasalamana teto amin’ny firenena ireny. Tonga hatrany rehefa antsoina na dia niparitaka aza ny valan’aretina. Tsy ho diso anjara amin’izany ireo mpanaraka an-dRtoa Assanati ao anaty tambajotran-tserasera Facebook. Hisy ihany koa ny fizarana vorona maimaim-pona ho azy ireny hiatrehany ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona. Ny 25 novambra ho izao no hanatanterahana izany izay mbola tafiditra hatrany ao anatin'ny asa soa hataon'ny fikambanana entina hanampiana ny mpiara-belona. Ho fanajana ny fepetra hisorohana ny fiparitahan'ny valan'aretina eto amin'ny firenena dia mbola tsy afaka mamory ireo mpikambana rehetra ny fikambanana. Mbola mijanona ho 200 ihany izany hatreto saingy tsy maintsy hahazo ny anjarany kosa ny rehetra. Tafiditra ao anatin’ny teny fimalatry ny fikambanana manao hoe : “Antsika jiaby miaraka amin'ny fikambanana Assanati Famo Gidraka, ary werawera tsy maintsy mandeha” moa izao hetsika fanampiana hataony izao.
Pati sy Marigny
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.