Actualités

ASSANATI FAMO GIDRAKA Maniry ny soa ho an’ny vehivavy rehetra


  • Alatsinainy 27 Mey 2024

Fety iray anisan’ny manan-danja ny fetin’ny Reny izay nankalazaintsika omaly Alahady 26 May.

Samy niezaka namalifaly ny Reny sy ny vehivavy tao an-tokantrano araka izany ny fianakaviana isan-tsokajiny noho izy ireny kitapo nifonosana ary mpanampy sahaza ny lehilahy. Tsy manadino izany Rtoa Assanati Famo Gidraka amin’ny mahavehivavy sy amin’ny maha-Renin’ny Malagasy azy amin’ny alalan’ny fikambanana Assanati Famo Gidraka tarihiny sy ny Werawera tsy maintsy mandeha. Raha bangoina dia maniry ny soa ho an’ny vehivavy Malagasy tsy an-kanavaka ny tenany na inona na inona olana sy sedra mety lalovan’izy ireny. Ao ireo mananontena miady irery amin’ny fameloman-janaka, ao koa anefa ireo nahiliky ny zanany sy ny fianakaviany…Ataoko indray misintona toa bangon-dratakatra sy indray miodidina toa molo-bilany ny fiarahabana anareo Reny rehetra. "Arahabako toa volan-tsinana anie ianareo ka raha tonga mahamanina , raha lasa mampanembona. Toa kintana nohariana ho ravaky ny lanitra ka na bitika aza manan-kasina na maro aza mora avahana. Andriamanitra anie hampitombo hatrany ny andro iainanareo, ka hombam-pahasalamana sy hahatratra ny Fetin'ny Reny mitsingeringerina indray. Tsy adinony ihany koa nandritra izany ny nampahery ny vehivavy mba ho maodely eny anivon’ny fiaraha-monina hatrany izy ireny.
Pati
Legende : Rtoa Assanati Famo Gidraka hanampy tsy manadino ny vehivavy Malagasy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT