Tao anatin’ny 24ora dia fanafihana tranombarotra telo no nitranga tao Toamasina omaly. Hita fa mihantsy ireo mpitandro ny filaminana mihitsy ireo andian-jiolahy mpitam-basy « PA » sy mpitaingina moto Scooter ary mandeha andiany efatra, fantatra amin’ny anarana hoe « Bande des 04 »
Ny roa voalohany dia nihatra tamin’ireto mpivarotra ambongadiny sy enta-madinika tao Mangarano II ny alatsinainy hariva tokony ho tamin’ny 6 ora hariva, izay nitranga tao anatin’ny fahatapahan’ny herinaratra iny indrindra tany an-toerana. Ny 3 tamin’ireo jiolahy no niditra ny tranombarotra, ny iray kosa mpiambina moto sy mitazana ireo avy aty ivelany mety hiditra ilay fivarotana. Tsy fantatra ny sandan’ny vola very fa ny vola maty ny tontolo ny andro, heverina ho am-polony tapitrisa ariary avy, tamin’ireo tranombarotra ambongadiny roa ireo tao anaty baoritra misy ny vola no nobatain’ireo jiolahy, raha voambana basy ny tompon-trano sy ny tao anaty fivarotana. Ny faharoa izay fahatelo nitranga omaly tokony tamin’ny 11ora sy 30mn, dia ny nanjo ny tranombarotra ana teratany karana ao Bazary be antsoina hoe “Maisolux”. Mbola ireo « Bande des 04 » mitaingina moto Scooter ary mpitondra basy « PA » no nahavita izany. Mitovy hatrany ny fanaon’izy ireo, ny 3 niditra ny tranombarotra naka ny vola sy ny findain'ilay teratany karana, ny fahefatra kosa no mpiambina moto. Nambaran’ireo nahita ny zava-nitranga fa toy ireny mpividy entana ireny ireto jiolahy, ka tsy nahatsikaritra zavatra hafahafa ny rehetra. Tamin’ireto tranga na fanafihana mitam-piadiana 3 nitranga ireto, dia tsy nisy ny basy nipoaka, tsy nisy koa ny naratra, fa vao nahazo ny vola sy zavatra notadiaviany ireto jiolahy dia lasa nirifatra nanao taingin-droa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.