Actualités

Asa vonjy tavan’andron’ny CUA Napetraka nanoloana ny fianarana ho mpitsabo ny dabam-pako


  • Alakamisy 17 Aogositra 2023

Tohin’ny asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany mikasika ny fako be

nisavovona teto amin’ity renivohitr’i Madagasikara ity nandritry ny 4 taona kanefa nenjehina nesorina tao anatin’ny 10 andro mba tsy ho hitan’ireo firenena rahavavy hiatrika ny lalaon’ny nosy eto amintsika dia napetraka nanoloana ny fianarana ho mpitsabo etsy Antsakaviro ankehitriny ny dabam-pakon’ny kaominina. Maro ireo tafitohina manoloana ity fanapahan-kevitra ity ary mitsara izany ho mbola isan’ny fanambaniana sy fanaovana tsinontsinona ny fanabeazana eto Madagasikara na koa fanambaniana ny asa fampianarana sy fikarohana eny amin’ny ambaratonga ambony. Tsiahivina rahateo fa sampan-draharaham-pitiliana sy fikarohana momba ny fitsaboana na “laboratoire” ity etsy Antsakaviro ity. Hahamehana diso tafahoatra ve sa fihantsiana? Tsy firaharahiana ny atao hoe fahasalamam-bahoaka koa ve, ankoatran’izay fanaovana tsinontsinona ny fanabeazana sy fikarohana na fampianarana izay? Maro ny fanontaniana tian’ireo mpanara-baovao apetraka no sady miharo fahasorenana ihany koa!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT