ASA TANANA MALAGASY

Mampiditra harin-karena hatrany amin'ny 15%


  • Alakamisy 11 Jona 2026

Tena mañana ny toerany sy ny

lanjany ny asa tanana Malagasy eto amintsika. Ankoatra ny maha-ambasadaoro sy masoivoho hahalalan'ny olona an'i Madagasikara any ivelany any amin'ny alalan'izy ireny mantsy dia nambaran'ny Ministry ny Fizahantany sy ny asa tanana Lilie Rafaralahy omaly fa mampiditra harin-karena hatrany amin'ny 15% ihany koa ny asa tanana. Mila tosika sy fanampiana avy amin'ny Fitondram-panjakana izany hoy izy mba hahatonga azy ho loharanon-karena maharitra eto amin'ny tany sy ny firenena. Nambaran-dRtoa Ministra moa fa zavatra teloloha hatreto no tokony hanampiana ireo mpanao asa tanana Malagasy izay efa mahatratra an-tapitrisany maro manerana ny Nosy. Voalohany ny fampanarahan-dalana azy ireny. Faharoa ny fitadiavana lalam-barotra ary fahatelo izay tsy kely akory dia resaka fanofanana.... Nomarihina omaly Alarobia 10 Jona teny amin'ny Maining Business Center Ivato ny andro iraisam-pirenena ho an'ny asa tanana. Trano eva am-polony no nandray anjara tamin'izany izay samy nampiseho sy nampiranty ny hakanton'ireo asa tanana Malagasy. Mbola nitohy tamin'ny velan-kevitra maro samihafa izany omaly hariva.
Pati
Légende : Rtoa Lilie Rafaralahy, Ministry ny Fizahantany sy ny asa tanana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

Hijery ny tohiny
FTT