Actualités

Asa tanana Malagasy Lasan’ny Sinoa ny ankamaroan’ny akora


  • Talata 26 Septambra 2017

Misedra olana tanteraka ireo mpanao asa tanana eto amintsika amin’izao fotoana.

Tapitra lasan’ireo teratany Sinoa avokoa mantsy ny ankamaroan’ireo akora hampiasain’izy ireo, indrindra fa ny hoditr’omby.  Araka ny fanazavan-dRamiarantsoa Jean de Dieu, mpanao asa tanana iray etsy amin’ny Cenam 67 ha dia vidin’ireo teratany Sinoa amin’ny vola vahiny Euro sy ny dolara ny hoditr’omby, hany ka voatery akarin’ireo mpivarotra  hitovy lanja amin’ireo vola ireo ihany koa ny vidin’ny hoditra amin’ny vola  Malagasy alainy amin’ireo mpanao asa tanana. Miakatra tsy fidiny ny vidin’entana any  an-tsena noho izany, antony mampitaraina ny maro fa tena lafo dia lafo tokoa ny asa tanana Malagasy. Vao mainka arahin’ny fampidirana ny mpianatra izany, hoy hatrany Ramiarantsoa Jean de Dieu ka isan-kerinandro sisa vao misy mpividy mandalo, ankoatra ireo mpizahatany vahiny sendra mandalo tampoka eny an-toerana. Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana, araka izany, ity mpanao asa tanana iray ity mba hijery akaiky ireo akora hampiasain’izy ireo. Marihina fa efa maro amin’ireo rofia eto amintsika ihany koa ny alain’ny Sinoa amin’izao, akora iray anisan’ny tena ampiasain’ny mpanao asa tanana ihany koa.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT