Actualités

Asa sy tetikasam-panjakana Sarona ireo mpisoloky avo lenta roa


  • Alakamisy 08 Oktobra 2020

Tra-tehaky ny Polisim-pirenena ny olona roa voalaza fa tompondaka amin’ny fisolokiana avo lenta.

Mpiasam-panjakana efa nitana andraikitra maro ilay lehilahy ary milaza azy ho mahitahita kosa ilay vehivavy, ka maro ireo olona voajonon'izy roa tamin'ny resaka fisolokiana. Ny fanaon'izy ireo ny misoloky ireo olon-tsotra fa indrindra ireo orinasa izay te hahazo ireny tetikasam-panjakana ireny ka angalany volabe satria izy ireo hono ny lalana hahazoana ilay tetikasa. Ho entina ampiesonana ireo olona dia miasa avokoa ny fisandohana andraikitra sy ny famoronana tetikasa tsy mitombina ary ny fanomezan-toky entina handaminana ny resaka sy hakana ilay vola, araka ny tatitry ny Polisy. Tao amin'ny trano fandraisam-bahiny lehibe iray eto an-drenivohitra izy ireo no tra-tehaka ary mbola teo am-pisolokiana olona hafa indray no voasambotra, ka nentina avy hatrany tany amin'ny biraon'ny Polisy. Tsy mitsaha-mitombo ireo fitoriana azon'ny Polisy misahana ny heloka bevava izay mampitombo ihany koa ny vesatra hiampangana azy ireo. Tsy ampoizina, ary miseho amin’ny endrika olona mihaja be izy ireo. Ilaina hatrany ny mitandrina satria tsy kely làlana ny ratsy. Hita ny tahaka izao eny amin’ny fitsarana, eny amin’ny fiarahamonina,… Matetika ireo tsy mandeha amin’ny làlana maihitsy ihany koa no mety ho lasibatra satria sodokan’ny zara aza mba mahita làlana tsy hisahiranana, kanefa ny vola mety ho very, ny toerana na tombotsoa tsy azo.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT