Actualités

Asa fivarotan-tena Mitsapa hafanana aloha vao miady varotra


  • Alarobia 25 Oktobra 2017

Misedra olana tanteraka ireo mpivarotena eto amintsika ankehitriny. Lasa mitondra fitaovana fitsapana hafanana mihitsy mantsy ireo mpanjifany hatramin’ny nisian’ny aretina pesta no ho mankaty,

 

 indrindra ireo teratany vahiny. Araka ny fijoroana vavolombelona nataona renim-pianakaviana iray nanaiky niresaka tamin’ny mpanao gazety Tia tanindrazana, tsy misy intsony ny teny mamy sy ny fifanintonana raha vao mifampijery fa ny fitaovana fitsapana hafanana no avy hatrany dia harantin’ireo mpanjifa. Izay vehivavy sahy ihany, araka izany, no manatona azy ireo. Nomarihiny fa maharitra elaela mihitsy ny fijerena vao mifampiady varotra. Anisan’ny jeren’ireo mpanjifa ny haavon’ny hafanan’ilay mpivarotena, sao dia voan’ny gripa izy, mikohoka ve ?... Aorian’izay dia mbola fady tanteraka ny fifanorohana sy ny fihetsika manaitaitra rehetra fa avy hatrany dia ny firaisana ara-nofo no hirosoana.  Mikasika ny trano fandraisam-bahiny moa dia nomarihiny ihany koa fa maromaro amin’izy ireny no lasa mitsapa ny hafanan’ireo olona tonga manatona amin’izao, indrindra fa ny mpivarotena. Notsipihiny kosa fa ireo mpanjifa mpanam-bola sy ireo teratany vahiny no tena sarotiny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT