ASA FANORATANA

ANARANA BIOMETRIKA


  • Zoma 05 Jona 2026

Mitaraina ho tsy voaloa tambin-karama ny mpiasa sasany

Mitaraina ireo OPK sy Comité Fokontany (Agent de sécurité sy agent imprégnation) miandraikitra ny asa fisoratana anarana biométrique (Enrôlement Biométrique) fa maro amin’izy ireo no tsy mbola nisitraka ny tambin-karama sy ny zo tokony ho azony, na dia efa nanatanteraka ny asa araka ny tokony ho izy aza.Mitaraina ny amin’ny tsy fanajana ny fifanaraham-piarahamiasa nosoniavinaihany koa izy ireo. Noho izany dia mangataka am-panajana izahay , hoy ireto Agent de sécurité sy agent imprégnation ireto ny mba hijeren’ireo tompon’andraikitra mahefa akaiky izao olana izao, ary handray ny fepetra ilaina mba hanonerana sy hanajana ny zon’ireo mpiasa rehetra voakasika. Efa nandefa fitarainana izahay, hoy izy ireo fa dia hoe efa an-dalana foana ny valiny, kanefa ny contrat efa farany ny amin’ity volana jona ity, ary mbola tsy azo ny tambin-karama volana aprily sy mey. Ireo tsy nahazo moa no mandefa ny fitarainana eto fa efa nisy ihany ireo ampahany nahazo io tambin-karama io, fa amin’ireo dia misy mitaraina ihany hoe tsy araka ilay « contrat » nifanarahana 21 andro ilay izy.
Nangonin’i RTT
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT