Actualités

Asa fanarenana JIRAMA Fantson-drano tranainy 5,2 km no efa voasolo


  • Zoma 30 Oktobra 2020

Anisan’ny paikady hanalefahana ny olan’ny famatsian-drano eto Antananarivo sy ny manodidina ny fanoloana ireo fantsona tranainy sy manary rano.

 

Natomboka ny volana martsa lasa teo ny fanoloana izany izay mirefy 90 km eto Antananarivo. Faritra 18 no hanatanterahana ny tetikasa dia Anosipatrana, Ambohitsoa, Soavimasoandro, Anjanahary IIO, Anjanahary IIN, Ambanilalana Itaosy, Itaosy Cité, Soanierana IIIJ, Ambondrona , Andravoahangy Atsinanana, Antohomadinika, Ambodirotra Antsakaviro, Antanimora Ampasanimalo , …. Mbola an-dalam-panatanterahana kosa ny eny Ambanilalana Itaosy, izay an-taonany maro no nijaly rano . « Misy fiovana ny fahazoana rano na dia mbola tsy 100 % aza. Teo aloha zara raha mahazo rano amin’ny alina na tena tsy mahazo mihitsy. Hatramin’ny nanatanterahina ny asa fanoloana fantsona anefa dia hita fa niakatra ny tosiky ny rano », hoy ny fanehoa-nkevitry ny mponina eny amin’ny fokontany Akany Firaisana, Itaosy. Fanehoan-kevitra izay notohanan’ny Filohan’ny fokontany eny an-toerana, Andriamampionona Miora sy ny Filohan’ny fokontany Ambanilalana ihany koa, Voahary Lalao Nomenjanahary, izay samy nankasitraka ny asa vita. Fanoloana fantsona tranainy sy manary rano 10 km no kendrena amin’izao dingana voalohan’ny tetikasa izao ka 5,2 km no efa voasolo ary fampidiran-drano 611 kosa no voafindra amin’ny fantsona vaovao. Tanjon’ny tetikasa ny hamatsiana rano tsy ankiato ireo mponina, ny hampihenana ny fatiantoka, hamenoana ny famokarana sy ny fitsinjarana rano amin’ny alàlan’ny fanoloana ireo fantsona tranainy sy manary rano amin’ny tambazotram-pitsinjirana rano, ary hitsirihana sy hanafoanana ihany koa ny fampidiran-drano tsy ara-dalàna.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT