v
Nivoaka ny fonja soa aman-tsara omaly tamin’ny 1ora sy sasany I Arphine Rahelisoa, izay naneho fisaorana ny rehetra niombo-po sy nitaky ny fivoahany, indrindra fa ny namana mpanao gazety.
Ankasitrahana ny Filoham-pirenena nanafaka, izay heverina fa fanapahan-kevitra feno fahendrena amin’ny toe-draharahan misy amin’izao indrindra amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, hoy ny Filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) Gérard Rakotonirina nitarika ny fitsenana azy. Midika izany hoe fandeferana amin’ny zavatra tokony handeferana, ary namaly ny firaisan-kiana sy ny fitakiantsika mpanao gazety niray hina tamin’ny fanamarihana ny andro maneran-tany momba ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, hoy izy. Azo raisina ihany koa hoe miandry ny lesona homen’ny Filohan’ny Repoblika ho an’izay olona fototr’ireny toe-javatra naharatsy endrika azy ireny, hoy i Gérard Rakotonirina. Nangataka ny hanampiana ny mpanao gazety manoloana ny fihibohana izy satria tena niaritra ny mafy ny mpisehatra amin’io ka tokony mba hojeren’ny Filoha manokana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.