Actualités

Asa fanaovan-gazety Notorian’ny OJM ny minisitra


  • Zoma 28 Aogositra 2020

Nitory ny Minisitry ny serasera any amin’ny Filankevi-panjakana ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM noho ny fitsabahan’ny

 

 

 

Minisitera amin’ny famoahana ny karatra maha mpanao gazety. Mandika lalàna ny Ministera, hoy Atoa Gérard Rakotonirina Filohan’ny OJM omaly tany Toamasina. Mizara fitaovana fiarovana amin’ny valanaretina ho an’ny mpanao gazety moa ny OJM amin’izao fotoana izao, ka isan’ny misitraka ny any amin’ny faritra Antsinanana. Efa nisy ny kaomisionina natsangana, ary nilamina ny tany Toamasina momba ny resaka karatra maha matihanina ho an’ny mpanao gazety. Misy faritany tsy nametraka izany, fa baikon’ny Minisitera no nametraka ilay izy. Notsabahany sy nidirany, ka tsy haiko ny tanjony, dia lazainy fa izahay no sakana, hoy i Gérard Rakotonirina. Tsy maintsy hisy ny fifidianana, ary tsy maintsy vita ny karatra maha matihanina, hoy ny Filohan’ny OJM. Nandritra io fotoana io no nilazany ihany koa fa misy ny tsindry avy amin’ny tompon’andraikitra ambony tsy handraisan’ny mpiasan’ny orinasam-panjakana ny fanampiana avy amin’ny OJM, fa voaroaka voaroaka raha vao mandray izany. Firaisankiana ve no tadiavin’ny minisitra amin’izany? Ny mpanao gazetin’ny fanjakana ve izany afaka miaro tena? Tao Antananarivo dia natao hoe: izahay tsy mila fa omeo ny hafa, hoy hatrany fanazavan’ny Filohan’ny OJM.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT