Actualités

Asa fanaovan-gazety Nodimandry Raharijaona Fabiola


  • Alakamisy 01 Oktobra 2020

Misaona ny tontolon'ny fanaovan-gazety eto Madagasikara. Nindaosin'ny fahafatesana teo amin'ny faha-42 taonany Raharijaona Fabiola, fantatra amin'ny anarana fanoratana Farah Masinjanahary.

 

 

 

 Ny taona 2003 izy no nanomboka nisehatra tamin'ny asa fanaovan-gazety. Nahalalan'ny maro azy tao amin'ny gazety Le Quotidien sy ny Tribune, ary tao amin'ny vondrona l'Express de Madagascar. Nahazoany marim-pankasitrahana maro ny fanoratana lahatsoratra sosialy, fa indrindra ny momba ny ankizy. Mpikambana tao amin'ny Fikambanan'ny mpanao gazety vehivavy ihany koa izy. Isan’ny nirary fiononona feno ho an’ny fianankaviany ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina. Maneho fiahara-miory sy mankahery ny fianankaviany manontolo isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT