ASA FANAOVAN-GAZETY

Nodimandry ny namana Lalaina Nalinjara


  • Alatsinainy 05 Febroary 2024

Misaona ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety.

Nodimandry teo amin’ny faha-50 taonany tafak’omaly Sabotsy 03 Febroary ny namana Lalaina Nalinjara, mpanao gazetin’ny Radio Don Bosco eto Antananarivo. Raha ny nampitain'ireo mpiara-miasa aminy, dia efa narary izy ary nanaraka fitsaboana teny amin'ny hopitaly, antony tsy nandrenesana ny feony nandritra ny andro maro, nilaza sy nampita vaovao. Raha tsiahivina kely dia anisan'ireo mpanao gazety tranainy tao amin'ny Radio Don Bosco i Lalaina Nalinjara. Niofana tao amin'ny Média Don Bosco izy ny taona 1999. Nanohy nianatra asa tao an-toerana ihany Ratompokovavy nialohan'ny nidirany ho mpanao gazety matihanina. Anisan’ny nampiavaka an’i Lalaina Nalinjara ny hatsaram-panahiny sy ny fahatsoram-pony. Eo ihany koa ny fahaizany mizara amin’ny hafa sy ny tsikitsikiny. Very olon-tsoa ny ankamaroan’ny mpanao gazety nilaozany. Namela vady sy kamboty telo mianadahy izy. Amin’ny Alarobia 07 Janoary ho avy izao moa no alevina eny Ambodifasika Itaosy Atsimondrano ny razana, izay hialohavan’ny fotoam-pivavahana entina hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ny nofo mangatsiakany farany ao amin’ny FJKM Ambohipo. Eny Ambohijanaka ny nofo mangatsiakany no handrasana hatramin’io andro Alarobia io. Izahay mpanao gazety eto amin’ny gazety Tia Tanindrazana, Top Radio ary ny Jejoo dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany.
Pati
Legende: Ny namana mpanao gazety Lalaina Nalinjara fony fahavelony !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT