Asa fanaovan-gazety

Nodimandry i Donga


  • Talata 26 Desambra 2023

Nodimandry ny alin'ny 22 desambra 2023 teo amin'ny faha-50 taonany ny namana

mpanao gazety Donga William, Tonian-dahatsoratra lefitra na « rédacteur en chef adjoint » teo anivon’ny Radiom-pirenena Malagasy na RNM Anosy. Narary, tratry ny AVC (Accident Vasculaire Cérébral » izy ny 13 desambra 2023. Notsaboina teny amin'ny hopitaly miaramila tetsy Soavinandriana, izao lasa izao. Ny taona 2000 izy no niditra niasa tao amin'ity onjam-peom-pirenena ity. Fikirakirana vaovao amin'ny teny anglisy no nanombohany, ary nitohy tamin'ny vaovao amin'ny teny malagasy sy famokarana fandaharana samihafa teo anivon'ny sampana fampahalalam-baovao. Anisan'izany ny fandaharana "Akon'ny fiarovam-pirenena". Nampandalovina tetsy amin’ny ORTM Anosy toeram-piasany ny nofo mangatsiakany ny sabotsy teo, nialohan’ny nitondrana azy any Vohémar Faritra SAVA fiaviany. Mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviany manontolo isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT