Actualités

Asa fanaovan-gazety Nivoaka ny fonja i Jean Luc Rahaga sy Didier Ramanoelina.


  • Sabotsy 26 Jolay 2014

Efa nampoizin’ny maro ihany ny didy navoakan’ny fitsarana omaly. Tsiahivina fa ny alakamisy alina dia nanao fanambarana ny minisitra telo lahy voakasiky ny lahatsoratra nataon’ireo mpanao gazety roa lahy fa hisintona ny fitorian’izy ireo.

Omaly tamin’ny iray ora tolakandro ary dia nivoaka ny didim-pitsarana fa afaka madiodio izy ireo, ka ny maitre Rasolonjatovo Willy no nanambara ny didy avy any amin’ny mpampanoa lalàna nanoloana ireo mpanao gazety tonga teny an-toerana  omaly. Nialoha ny nivoahan’ny didy moa dia nisy hatrany ny hetsika nataon’ny avy eo anivon’ny sendikan’ny mpanao gazety ka niavaka tamin’izany ny nitondran’izy ireo sorabavety nankeny amin’ny biraon’ny minisitra Rivo Rakotovao teo Anosy. Nisy avy eo ny fiarahan’ny mpanao gazety rehetra nankeny Antanimora  nitsena azy  roa lahy. Tamin’ny telo ora tolakandro no nivoaka ny fonja izy ireo. Tsy  mbola nanana hambara firy ireto farany afa-tsy ny fisaorana ny mpanao gazety rehetra tamin’ny fanohanana  sy ny tolona izay natao. Raha ny avy eo anivon’ny sendika indray dia nanambara mazava izy ireo fa mitohy ny tolona, ary tokony hahatsapa tena  ny nametraka iny fitoriana iny ka raha tena manaja ny etika eo amin’ny asany dia mametra-pialana no mety aminy. Nambarany ihany koa fa hiady hatramin’ny farany izy ireo ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara.

                                                                                                                                                                 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT