ASA FANAOVAN-GAZETY

Niampy 13 mianadahy ireo hisehatra amin’ny avo lenta


  • Talata 30 Aprily 2024

Tontosa ny Sabotsy 27 aprily teo, tetsy amin’ny efitranon’ny Holafitry ny Mpanao gazety (OJM)

Ambohidahy ny fampahafantarana ny asa vita sy ny fahonanana ny voka-karotra nataon’ireo tanora 13 miandahy niofana sy nanatevina traikefa ho tonga mpanao gazety masaka ara-potokevitra sy ny mpanao gazety mpanatsikafona ho fampiroboroboana ny asa fanaovan-gazety. Naharitra 12 volana ny fiofanan’izy ireo teo ambany fitarihan’ireo Mpanao gazety zokiolona. Nambaran’Atoa Razaka Oliva, isan’ireo mpitsara nandritra ny fanadinana nataon’izy ireo fa nisy ny ezaka nataon’ireo tanora saingy mila fanatsarana ny fifehezana ny teny malagasy. Ho mpandimby ireo mpanao gazety zokiolona ireo tanora vita fiofanana ireo ; izy ireo no hampahafantatra ny tantara, ny kolontsaina, politika, sosialy, toe-karena eny ny iraisam-pirenena. Nitarika ny fitsarana ny vokatr’asan’izy ireo ny mpanao gazety isany Yves Samoelijaona, nampian-dRazaka Oliva, mpitsara ny tolotr’asa. Jen Laoshi Raharinivo izay sady Talen’ny fampianarana sy fampiofanana, Notronin’ny Filoham-boninahitry ny mpanao gazety zokiolona, Andriamorasata Solo Norbert. Ny mpanao gazety zokiolona Rabekijana Félix kosa no « encadeur » azy ireo.
Pati
Legende : Ireo mpanao gazety nivoaka sy ireo nampiofana azy !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT