Hankalazaina anio maneran-tany ny andro iraisam-pirenena ho amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety.
Ho an’ny eto Madagasikara manokana dia hisy tahaka ny mahazatra ny fihazoana ny tsangambato manamarika izany etsy anoloan’ny gara Soarano, eo koa famelabelaran-kevitra izay hifanindran-dalana amin’ny faha-10 taonan’ny fanofanana mpanao gazety ao amin’ny kolejy Md Misely Amparibe, ankoatra ny fihaonana hatao eny Ambohimanambola eny. Matanjaka dia matanjaka ny herin’izany hoe fampahalalam-baovao izany any amin’ireo firenena tandrefana sy efa mandroso tahaka ny any Etazonia, Kanada, Frantsa, Angletera, Alemaina, Italia, ary tena maro mihitsy ny mpanao gazety sahy mifamaly sy mifanandrina amina manampahefana, eny fa na dia ny filohan’ny Repoblika aza. Maro be ireo mpitondra tany amin’ireo firenena voatonona ireo no nigadra noho ny vaovao marim-pototra navoakan’ny mpanao gazety.
Mbola maro kosa anefa ny firenena mangeja izany asa fanaovan-gazety izany tahaka ny any Chine sy amin’ireo firenena maromaro mbola entin’ny andriamanjaka sy filoha tsy refesi-mandidy. Raha ho an’ny eto Madagasikara manokana dia teraka nanomboka tamin’ny 1991 ny hoe fahafahana maneho hevitra ka teo no nijoro voalohany ny onjampeo tsy miankina nandefa vaovao sy fanehoan-kevitra hafa. Ankoatra ny haino amanjerim-panjakana, dia niroborobo ny radio sy fahitalavitra ary gazety an-tsoratra isan-karazany, ary raha atambatra izy ireo dia efa maherin’ny 200 eto amintsika, ka na antokom-pinoana, na antoko politika, na mpandraharaha ara-toekarena, na vahiny na teratany dia samy manana ny gazetiny sy ny haino aman-jeriny avokoa. Lasa asa nalaza ihany koa ny hoe mpanao gazety, na mpampahalala vaovao ka nihazakazaka tamin’io ny rehetra, ary raha ny fahitana azy dia tanora latsaky ny 30 taona no maro an’isa amin’ireo mpanao gazety Malagasy ankehitriny.
Tsikaritra ihany koa anefa fa maro amin’ny mpanao gazety ihany no tsy mahalala tsara ary tsy mahafehy mihitsy ny asany ka manaotao foana sy mampita vaovao tsy marim-pototra sy tsy voaporofo tsara any amin’ny olom-pirenena. Fa eo ihany koa ny mbola fivandravandran’ny fifanandrinana ara-potokevitra eo amin’ireo gazety sy haino aman-jery maro be eto amintsika, ka ao ny manohana ny mpitondra fanjakana, ao kosa no mitovitovy fomba fijery amin’ny mpanohitra. Raha tena dinihana amin’ny saina tsy miangatra dia mbola marefo ihany ny fahefan’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara ary mbola tena azo iadian-kevitra ny fahalalahana amin’ny fanatanterahana io asa io. Mbola managadra mpanao gazety ny fanjakana Malagasy ary tsy mitsahatra ny manindry aloka ireo orinasan-tserasera sahy manakiana azy amin’ny tsy mety ataony. Tsy azo lavina koa anefa fa maro be ireo mpanao gazety mpikarama an’ady ka manohana mpanao politika tsotra izao na ahoana na ahoana ho fitrangany. Sahirana ny olon-tsotra te handre vaovao satria tranga iray ihany no misy kanefa samihafa ny vaovao taterin’ireo radio na fahitalavitra na gazety.
Raha tsorina ny resaka dia mbola mila fanatsarana goavana ny resaka serasera amin’ny ankapobeny sy ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara, mila fampianarana sy fanofanana ny mpanao gazety Malagasy ary mila apetraka mazava ny lalàna mifehy ny serasera sy ny asa fanaovan-gazety satria manjavozavo loatra ny zava-misy amin’izao fotoana koa samy miseho ho mahay lalàna araka ny mety aminy ny tsirairay. Azo tarafina amin’ny asa fanaovan-gazety ny fandrosoana na fihemoran’ny firenena iray. Koa anjarantsika no mijery hoe aiza ho aiza izany i Madagasikara amin’izao fotoana ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.