Tena ilaina amin’izao fotoam-pahavaratra izao ny asa fanadiovana sy fisokirana
ireo tata-drano eto an-drenivohitra sy ny manodidina . Efa saika miaina ao anaty rano avokoa mantsy ny ankamaroan’ny mponina amin’ireo faritra iva efa ho tapa-bolana izao vokatry ny fahantsentseman’ireo tatatra isan-tsokajiny. Tsy hanavahana toerana intsony izany no sady efa namoizana ain’olona mihitsy toy ny zava-nitranga teny Ambohijoky vao omaly. Anisan’ny antony hanaovan’ny Boriborintany fahatelo hetsika fanadiovana faobe izany nanomboka ny faran’ny herinandro teo, notarihin’ny delege Razafimandimby Rija Ethel. Andiany fahatelo sahady io notanterahina io raha araka ny fantatra niarahana tamin'ireo rafitra misy eny ifotony toy ny Fokontany, RF2 ary Fikambanana maro samihafa. Ankoatra ny fisokirana ny tata-drano dia noraofina avokoa ireo karazam-pako ahiana hanentsika ny tatatra hisorohana ny mety hisian’ny tondra-drano. Anisan’ny nanohana ny hetsika moa ny Lefitra voalohan'ny tanan'Antananarivo, ny DEAH Domoina Malala ary ny vondron'ny Polisy monisipaly.
Pati
Legende : Nafotaka tahaka izao ny asa fanadiovana teny Andravoahangy sy ny manodidina !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.