Nandalo teto amintsika nandritra ny roa andro tamin’ny fiatombohan’ity volana jolay ity ireo manampahaizana manokan’ny sampandraharaha mpanatanteraka avy amin’ny komity miady amin’ny asa fampihorohoroana
. Nanatanteraka iraka tombana tamin’ny alalan’ny atrikasa niarahana tamin’ny governemanta Malagasy izy ireo. Efa nigadona teto Madagasikara ireto mpikambana ao amin’ny «Direction Exécutive du Comité contre le Terrorisme» ireto tamin’ny taona 2008. Tsikaritra tamin’izany fotoana izany fa niharatsy ny zava-nisy teo anivon’ny fiarahamonina Malagasy mikasika ity resaka asa fampihorohoroana ity. Iaraha-mahalala ihany koa anefa ny krizy lavareny nanjakan’ny gaboraraka sy ny fandikan-dalàna isan-karazany nanomboka tamin’ny taona 2009 ka ahiana ny fihombon’izy io eto amin’ny firenena Malagasy. Andrasana moa ny fanampim-baovao avy amin’ny tatitry ny DECT teo anelanelan’izay 7 taona izay. Efa nisy rahateo ireo tolo-kevitra naroson’ity sampandraharaha ity tamin’ny governemanta Malagasy. Efa nankatoavin’ny mpitondra fanjakana, ohatra, ny fananganana ny rafi-pirenena misahana ny torolalana iadiana amin’ireo karazana asa fampihorohoroana. Fanamby hafa mila hatrehan’ny firenena Malagasy anefa ny fahafahana manara-maso ny sisin-dranomasina, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena na koa ny fiketrehana politika ifandrombonan’ny besinimaro.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.