Miatrika ilay fihaonana an-tampony Etazonia-Afrika any Washington amin’ity herinandro ity ny filoham-pirenena Malagasy. Fotoana tsy maintsy hiresahana ireo asa fampandrosoana vitan’ny firenena isanisany.
. Miankina betsaka amin’izay hambaran’ireo filoham-panjakana afrikanina 50 mahery any an-toerana moa no ahitana ireo fomba hanamafisana ireo fifandraisana miaraka amin’ny firenena amerikanina. Lohahevitra enina lehibe no hifantohan’ny dinika eo amin’ny roa tonta dia ny harin-karena, ny siansa sy hairaha, ny fampandrosoana maha olona, ny fiarovana ny tontolo iainana, ny filaminana sy ny fandriampahalemana ary ny famatsiam-bola sy ny fiaraha-miombon’antoka. Sehatra tena manan-danja ho an’ny asa fampandrosoana eto Madagasikara ireo hifanakalozana ireo ka adidin’ny mpitondra Malagasy no mampahafantatra marina ireo dingana efa vitany tao anatin’ny enim-bolana nitantanany. Ho an’ny mpiara-belona aloha dia tsy hita taratra loatra izay asa fampandrosoana izay. Miandry fatratra izay hambaran’ny delegasiona Malagasy amin’ireo tompon’andraiki-panjakana amerikanina moa ny mpanara-baovao eto an-toerana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.