Asa fa tsy rendarendra

Natomboka teny Antohomadinika ny AMA


  • Zoma 18 Oktobra 2024

Asa 3 avy hatrany no natomboka teny Antohomadinika centre omaly alakamisy tamin’ny alalan’ilay

tetikasa AMA (Asa Maharitra ho an’Antananarivo). Mikasika indrindra ny fanadiovana ireo lakan-drano izay miteraka fitohanan'ny rano ka mandoto ny tontolo ary miteraka tsy fahasalamana ho an’ny mponina. Nandraisana ireo tanora tsy an’asa teny an-toerana no nanaovana izao tetikasa izao, ary hanenika ny boriborintany 6 eto an-drenivohitra. Manasa an’ireo kandida hafa moa i Tahina Razafinjoelina (TR) mba hanolotra zavatra maharitra tahaka izao fa tsy rendrarendra sy petatoko foana no hitaizana ny vahoaka. Rehefa hanasitrana hoy izy dia ny antony mankarary no andao sitranina fa tsy ny endriky sy ny fisehon'ny aretina. Ity ilay Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA nambara nandritra ilay fandaharana manokana ny 7 oktobra 2024 lasa teo. Izay zavatra hita fa ho vita no resahana fa isika tsy hilaza mihitsy hoe ataontsika manidina daholo ny mponina eto hoy i Tahina Razafinjoelina. Ary izay tenenina dia tsy maintsy tanterahina. Fotoana ihany koa nahafahana niresaka mivantana tamin’ireo mponina teny Antohomadinika sy ny manodidina izy ity, ka dia nahitsy sy nivantana ny resaka,ka izay tena zava-misy no resahana. Isika afaka miresaka tsara, afaka miara-miasa, ary atao mangarahara ny zavatra rehetra hoy ity kandida atolotry ny antoko Tia Tanindrazana ity. Zava-dehibe ho anay izao hetsika izao hoy ny mponina ary tena ilaina mihitsy satria sady madio ny tanàna, mihena ny aretina, no miteraka asa. Manantena ihany koa izahay, hoy izy ireo fa dia tena asa maharitra tokoa no atao fa tsy hoe mandalo dia miserana. Ary mba hahita tombotsoa tokoa ny rehetra amin’izany. Ankoatra ny asa fanadiovana moa dia ao anatin’ny vinan’i Tahina Razafinjoelina sy ny Tia Tanindrazana ihany koa ny fametrahana jiro amin’ireo toerana tena mila izany eto Antananarivo Renivohitra.Tsy misy rendrarendra ny antsika fa tonga dia asa ho an’ny isam-batan’olona sy ho an’ny tombotsoa iombonana hoy i TR.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT